RaVorondolo sy iKalaPiso
I
Niandriaka hono Ravorondolo sy iKalapiso
tanaty lakana bikaina maitso toa pitipoa,
nitondra tantely izy ireo, sy madinika vitsivitsy,
izany hoe izay zakana vola taratasy.
Variana Ravorondolo nandinika ny kintana ambony,
ka velonkira narahiny gitara kely,
“O ry Kalapiso manja kely! O ry Kalapiso tompon' ny foko,
Sakapiso mahatehotia ange izato ianao,
ianao,
ianao!
tena sakapiso mahatehotia izato ianao!”
II
Hoy iKalapiso miantso an'i Ravorondolo: “O ry ilay adalabe mihaja!
sady mamy no malefaka izato hiranao!
Andao isika hivady! Efa ela loatra izay nifampiandrasantsika:
ka ahoana re no ahazontsika peratra e?”
Dia nitohy ny diany nandritry ny taona iray miampy iray andro,
nahatongavany teny amin'ny tanina Bong
ka tanatina ala nahitany kisoa kely
nitondra peratra teo amin'ny vatanorony,
teo amin'ny orony,
teo amin'ny orony,
nitondra peratra teo amin'ny vatanorony.
III
“Ry kisoa kely malala, hanaiky ve ianao ny ivarotra anay iraimbilanja
io peratrao io?” Ka hoy iKisoa kely hoe , “izany ka manja”
Dia lasany ary izato izy, ka ny ampitson'iny ihany dia mpivady izy roa
natambatr'i RaVorontsiloza ilay monina tery antamponkavoana.
Nisakafo hariva voky hena, sy tetika kaotsy,
nohaniny tamina sotro tsy fanao ampaosy;
nifampitantana izy roa, ka teo amorondriaka koa
dia nandihy ka nandihy, nohazavain'iRavolana
iRavolana,
iRavolana,
dia nandihy ka nandihy, nohazavain'iRavolana.
Translated by Gezedrara